Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao taminy omaly, mahakasika ny fiainany sy ny fomba fanaony isan’andro. Fanirian’ity atleta ity ny hahita asa sahaza azy hahafahany mivoatra amin’ny fiainana.
Gazety Taratra (*) : Manao ahoana izany fiainana renim-pianakaviana sady atleta izany?
Soloniaina Malala (-) : Tsy mora ilay izy. Matetika dia sady manao fanazarantena hatrany ianao no miezaka mitady vola, mivarotra. Eo ihany koa ny fikarakarana ny zanaka handeha hianatra, anisan’izany ny fandrohoana ny sakafony. Tsy hadino ihany koa ny fikarakarana ny tokantrano.
* Manao ahoana ny iainanao ilay hoe lasa mpiaro ny voninahi-pirenena nefa ny zanaka aty Madagasikara?
– Tena mafy ilay mandao ny zanaka sy ny ankohonana, sady handeha lavitra ivelan’i Madagasikara. Miala eto Madagasikara, tsy mandray vola, tsy mba misy hapetraka ho an’ny zanaka, nefa tiana ilay ho tafita lavitra amin’ny fanatanjahantena, miezaka hatrany mampahery ny saina ary miharitra amin’izay zava-misy eo.
*Inona ny tanjonao sy tena irinao amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?
– Manana tanjona ny ho lasa alavitra sy hampitombo ny lazako amin’ity taranja tolona ity aho. Ankoatra izay, mba faniriako ihany koa ny hahita asa, mba hahafahako mivoatra amin’ny fiainanana miohatra ny hiainako ankehitriny. Tsy vita mora nefa izany, saingy manantena hatrany fa ho tonga amiko ireo faniriana ireo, indray andro any.
* Inona ny mba mety hoe fanirianao ho an’ny zanakao any aoriana any?
– Ny tena hiriako ho an’ilay zanako, dia mba ho lasa lavitra amin’ny fianarana ary ho tafita amin’izay faniriany. Tiako ihany koa raha mba mihoatra lavitra ny zava-bitako ny vitany amin’ny resaka fanatanjahantena. Tsy ho hadinoko ny milaza azy fa ilaina ezaka foana ny zavatra rehetra amin’ny fiainanana.
*Tahaka ny ahoana ny fandaharam-potoanao rehefa andavanandro?
– Somary efa feno ny fandaharam-potoanako andavanandro. Rehefa maraina aho, manatitra ny zanako mianatra. Aorian’izay, manao fanazarantena. Rehefa vita izany, mivarotra indray aho. Rehefa hariva kosa, maka mpianatra sy mikarakara ny ankohonako amin’ny maha reny ahy.
*Inona ny hafatra ampitanao ho an’ny reny rehetra?
– Koa satria moa efa amin’ny alahady ny fetin’ny reny, eto aho dia mirary ny soa sy ny tsara ho an’ireo renim-pianakaviana rehetra. Miarahaba azy ireo mialoha, zava-dehibe eo amin’ny fiainana izany reny izany. Maniry aho mba hahatratra ny tanjona tiantsika avokoa anie isika reny rehetra, ary hahita izay hiriana daholo.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola ao anatin’ny fahatanorany tsara i Malala. 22 taona, amin’ny io volana jona io izy, ary efa nandrombaka medaly maro tamin’ny taranja tolona, raha sehatra iraisam-pirenena no resahina. Ny taona 2018, nahazo ny medaly alimo, nandritra ireo fifaninanana afrikanina maro natao tany Nigeria. Nahazo ny medaly alimo ihany koa izy, nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, tany RD Congo. Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, notontosaina teto Madagasikara.
Nanatontosa : Fitia Randria