Nandritra ny hadimiana, tamin’ity herinandro ity, nanatanteraka atrikasa momba ny “Harmonisation pédagogique des formateurs nationaux des conseillers en orientation et insertion” (FNCIO), ny fitaleavana misahana ny “Orientation sy insertion professionnelle” (DOIP), ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tao Antsirabe no natao ny hetsika, izay tohanan’ny Unesco amin’ny alalan’ny tetikasa “Better Education for Africa’s Rise” (BEAR III)-“Développement des capacités pour l’éducation” (CAPED).
Nandritra izany, mpampiofana miisa 11 avy amin’ny FNCIO no nifampizara sy nifanakalo hevitra momba ny fanofanana ho an’ireo “Personnes en charge des activités d’orientation et d’insertion (PCOI)” eo anivon’ny ivontoeram-panofanana.
Tanjona lehibe amin’ity atrikasa ity ny hanomana sy hanamafy ny paikady pedagojika ilaina amin’ny fanofanana PCOI miisa 90 amin’ny volana jona ho avy izao, izay kasaina hatao any amin’ny faritra fito manerana an’i Madagasikara. Zava-dehibe amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa fanoroana sy fanampiana amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa ho an’ny tanora ity dingana ity.
Vonjy