Tototra fako sy diky ny eny amoron-dranomasina, Depot manamorona ny “voie rapide”. Tsy laitra iainana ny fofona maimbo ataon’ireo mponina…
Vao ety amin’ny 500 metatra tsy hahatongavana eo amin’ny faritra misy ny tonelina natao ho lalam-bahoaka raha ho eny amoron-dranomasina dia efa sempotry ny fofona maimbo. Nataon’ny fokonolona ao Depot faharoa sy fahatelo ary fahefatra ho lalana fanariam-pako sy fanaovana maloto ilay tonelina, raha tokony ho fanampiana ny fokonolona mba tsy handeha amin’ny lalana “voie rapide”. Vokany, nidina teny an-toerana ny delegasiona mafonja notarihin’ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, Andriafanomezantsoa Alain, ny alakamisy 22 mey maraina teo, nijery ifotony ny zava-misy. Nampiantso ny sefo fokontany sy ny fokonolona anatin’ireo fokontany telo mifanolo-bodirindrina sady anisan’ireo mpanary fako sy mpanao maloto an-dranomasina mba hoentanina hanaja ny fotodrafitrasa izy ireo. “Anatin’ny fandaharam-potoam-panjakana amin’ny fifaninanana tanàna madio isika izao. Koa, tsara raha mba manao madio sy trano fivoahana isaky ny lakoro, fa ny kaominina kosa hiantoka fitoeram-pako ary hanary izany amin’ny faritra hanariana azy”, hoy izy. Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna fa mahavoasazy ny manary fako an-dranomasina. Amin’ny ankapobeny, singa iray mahatonga ny ranomasina mitelina olona ny fahalotoana ka ilàna fitandremana.
Sajo