TSELATRA

Renim-pianakavina iray manana fahasemba­nana no maty an-drano teny amoron-dranomasina, tany Mahajanga, omaly. Nisaika teo amin’ny Bord de la mer akaikin’ny Chambre de commerce izy. Olona nilomano teny amin’ny manodidina no nahita azy ka nampiakatra ny razana. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty an’ny hopitaly Androva ny razana.

Nahitam-bokatra ny hetsika manokana “Opera­tion pickpocket” tany amin’ny distrikan’Antanifotsy. Nitarika izany ny zana-tobim-paritraAmbohimandroso. Nahafahana nisambotra mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery izay efa samy natolotra ny fitsarana avokoa. Tsy mijanona eo fa mitohy hatrany ny hetsika. Ho fampandriam-pahalemana ny tanàna sy ny vahoaka ao aminy.

Partager sur: