Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa. Isan’andro vaky no ahitana razana etsy sy eroa. Misy ny maty ho azy, maro ny misy mamono, manginy fotsiny ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Tena tsy misy fotoana mampidina ambany ny tahan’ny olona maty. Raha vao manokatra ny tambajotran-tserasera izany moa dia saika isan’ora, misy vaovao momba ny vono olona foana.
Manoloana izany, mitaky fandraisana andraikitra ny toe-javamisy. Misy hatrany ny fisorohana azo atao na dia efa hoe tora-bato avy any an-danitra aza ny fahafatesana. Raha ny mahakasika ireo loza eny an-dalambe manokana, tsy misy afaka ny mifanilika andraikitra. Tsy maintsy miray hina ny rehetra mifanabe sy mifanentana momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana.
Momba ny vono olona dia tsy misy afa-tsy ny fahamailoana amin’ny fiainana andavanandro. Fadiana ny mody alina raha mbola azo atao. Tandremana ny fampisehoana ny mena miraviravy amin’ny manodidina sy ny mpiara-monina. Efa tsy hay rahateo ny olon-dratsy. Na ireo heverina ho tena akaiky sy olona atokisana aza izao mampanahy fa mety ho mpamadika.
Eny fa hatramin’ireo heverina ho maty tampoka sy lasibatry ny adim-piainana aza. Mbola azo atao ny mitahy ny aina na dia rano mafana fotsiny ihany aza. Fadiana ny mandrifotsy sy ny manao fanahy iniana ho mifady sakafo. Tsy mahafaty ny mandingana sakafo indray mandeha na indroa fa tsy tokony hanaovana kinanga ny mahakasika izay. Tsy azo atao fahazarana.
Amin’ny ankapobeny, trangam-piarahamonina mila fijoroan’ny fanjakana ity fahitana fatin’olona manerana ny tanàna ity. Mila ezaka avy amin’ny mpitandro filaminana, andaniny, ireo minisitera miahy ny mponina, ankilany. Ny olom-pirenena tsirairay kosa mila mitandrina!
r.r