VAOVAO TAMBATRA

Miteraka hatezerana eny anivon’ny fiarahamonina ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny
isan’andro. Miteraka fitokonana ny delestazy sy ny fahatapahan-drano, ao ireo mandoro kodiarana sy manakan-dalana. Mitaraina amin’ny hafitsoky ny tolotra ataon’ny Jirama ny mpanjifa, ny faktiora aloa isam-bolana nefa tsy misy zava-banona.

Nilona tao anatin’ny teknolojia amin’ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) teny amin’ny Ecole 42 Andraharo ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananasa ary ny asam-panjakana. Tanjona ny hampivoatra ny fahaiza-manaon’izy ireo sy ny fototra rehetra mahakasika ny IA.

Harena sarobidy tokony harovana ny karazan-javamananaina. Miara-misalahy amin’ny vondrona eny ifotony sy nasionaly ary ny firaisamonim-pirenena ireo faritra arovana ho fikajiana ny tontolo iainana. Mifanaraka amin’ny filana eny ifotony sy ny filan’ny rohivoary ny asa atao hanohanana sy hanomezan-danja ireo harena voajanahary eto amintsika.

Hisitraka fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ireo tantsaha ao amin’ny faritra Sava sy Diana hampiroboroboana ny famokaram-bary safiotra. Hahatratra hatrany amin’ny 200 ha ny vokatra andrasana amin’ny alalan’ny masomboly sy zezika zaraina. Hametrahana ozinina mpamokatra zezika
20 000 taonina, isan-taona, ao Andapa sy fitehirizana vokatra mahazaka 5 000 t ao Sava.

Partager sur: