Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona, eny amin’ny Kianja Elgeco plus, By Pass, ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL”. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy maintsy tanterahina amin’io ny fifanandrinana miverina, mba hahafahana mahatratra ilay daty 29 jona, hanaovana ny famaranana.
Tsiahivina fa eo alohan’io 31 mey io, hanao fampivondronana mandritra ny roa andro ny Barea Chan, ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Aorian’io, haverina any amin’ny klioba indray ireo mpilalao hanomana ny “World Cola PFL”. Tsara ny mampahatsiahy fa hiatrika ny “Cosafa” any Afrika Atsimo, manomboka ny 4 hatramin’ny 15 jona, ny Barea Chan. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga ny 2 jona, aorian’io lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena io ny Barea.
Ankoatra izay, hatao ny 22 jona ny manasa-dalan’ny PFL, saingy mety hiova io daty io raha sendra ratsy ny vokatra azon’ny Barea any amin’ny Cosafa. Marihina fa maro amin’ ireo mpilalao mifanintsana amin’ny fifaninanana nasionaly eto Madagasikara no mety handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Fitia Randria