Fiara starex iray no nanao fifandonana intelo nisesy tetsy Androndra hatreny Ambatoroka, omaly tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Teny an-dalana hihazo an’Androndra, avy any Ankadimbahoaka, nihemotra ity fiara ity, nefa nisy moto sy fiara iray hafa taoriany. Nahita izany ilay kodiaran-droa ka nihemotra ihany koa. Tsy nitsaha-nihemotra anefa ity fiara ity ka tery sy potika tao ilay kodiaran-droa taoriany. Nandositra sy nanohy ny diany ilay mpamily nitondra io fiara io avy eo. Niezaka nanenjika ity farany moa ilay lehilahy nitondra ilay moto voadona. Niakatra tao amin’ny marche à pied an’ilay fiara izy mba hanajanona azy saingy nirifatra mafy ilay mpamily fiara. Nanao ny fomba rehetra nananjerana ity lehilahy nisavika ny fiarany ity izy teny an-dalana. Nitohy ny diany, nandona fiara Hyundai Atos Prime tetsy amin’ny sampananana Mahazoarivo indray avy eo. Nangalatra ny havanan’ny lalany izy ka nidofitra tamin’io fiara io. Naratra teo amin’ny lohany kosa ilay mpamily nitondra izany. Nianjera tamin’ny arabe kosa ilay lehilahy nanenjika azy. Mbola nitsoaka hatrany anefa ity fiara nanao loza ity. Farany, nandona fiara starex iray hafa teo alohany, tetsy Ambatoroka indray avy eo ary tsy afa-nandositra intsony noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Teo izy no tratran’ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Raha ny fantatra, mamo ity mpamily nanao lozam-pifamoivoizana teny an-toerana ity. Efa tonga teny an-toerana nandray ny raharaha ny avy amin’ny polisim-pirenena
Mino