Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hampiharina avy hatrany kosa izany aorian’izay. “Tsotra sy mora ary azo antoka tanteraka ny fampiasana ny e-Ariary noho izy mangarahara sy miady amin’ny kolikoly », hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Notsindriany manokana fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny fampiasana ny vola niomerika ity tolotra vaovao ity ary mifameno tanteraka amin’ireo tolotra “mobile banking” efa misy amin’izao fotoana. Tsotra sy natao ho an’ny rehetra ary entina handoavana ny filana andavanandron’ny mponina ny e-Ariary. Tafiditra ao anatin’izany ny fandoavana faktiora, fividianana entana samihafa, fandoavana saran-dalana ho an’ny taxi-be, sns. Afaka misitraka ny tolotra ireo rehetra manokatra ny kaonty e-Ariary eny anivon’ny BFM.
Henintsoa