Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy na toerana ahitana zava-mahadomelina, vola ary sokatra. Nambaran’ireo mpibaiko fa azo antoka sy mahomby ny fahaizan’ireo alika ireo, karazana Berger allemand sy Berger malinois.
Nambaran’ny tale jeneraly ny Haban-tseranana, Zafivanona Lainkana, fa endriky ny finiavan’ny Ladoany hanamafy ny fanaraha-maso, hanomezana antoka ny vahoaka ny fisian’ny andiany manokana izao. Eo koa, ny fanavaozana ho maoderina hatrany ny fomba fiasa sy ny fitantanana.
Mifameno amin’ny teknolojia
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny entana sy ny mpandeha eny amin’ny haban-tseranana, ka ilaina ny fananana fitaovana ampy sy mahomby. Nomarihin’ny DG ny ladoany, fa « mifameno tanteraka ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana alika. Hamantarana ny toerana mampiahiahy ny fitiliana ampiasana teknolojia, ary manamarina azy ao anatin’ny fotoana fohy ny alika. Hihena ny fotoana lany sady mahomby ny fanaraha-maso, isorohana ny hosoka sy ny trafika ».
Njaka A.