Fanabeazana ara-pananahana: Mila miofana koa ny ray aman-dreny

Nisy ny fifanakalozana niarahana tamin’ny fiarahamonina, mpitarika fiangonana, mpisehatra, tanora eny anivon’ny fikambanana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ahafahana mitady vahaolana iraisana nefa manaja ny finoan’ny tsirairay nokarakarain’ny Forum génération égalité (FGE), omaly, teny Besarety. Teo koa ny adisisika maro efa natao ary nisy ny vokatra azo satria efa nandrisika ny hamerenana ny fanabeazana ara-pananahana feno ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, ny taona 2024, nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida.
“Tsy ampy ny fahalalana azon’ny tanora momba ny fa­nanahana ahafahany mitondra tena. Ilaina, noho izany, ny manamafy ny fanentanana any an-tsekoly sy ny fampiofanana ny ray aman-dreny satria ireo ny sehatra roa mifandray betsaka amin’ny tanora”, hoy ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana ara-pananahana, ny Dr Tifana Marie Ange. « Any am-piangonana, mifandona amin’ny ko­lontsaina koa matetika ny fanentanana momba ny fananahana amin’ny ankapobeny », hoy ny mpitandrina sady filohan’ny fiangonana protestanta malagasy tranozozoro an-tranobiriky (FMTA), Ravelomanantsoa Herinjato.
«Fitaizana manomboka amin’ny 6 taona momba ny tontolon’ny fananahana araka ny taonany ny fanabeazana feno ara-pananahana fa tsy fampianarana firaisana ara-nofo», hoy ny mpikambana ao amin’ny FGE, Ramparaoelina Tendry.

Vonjy

Partager sur: