Fandaharanasa Afafi Centre : Nitombo 138% ny vokatra

Nahomby ny fanohanan’ny tetikasa Afafi Centre seha-pamokarana maro mahakasika faritra telo.
Eo am-pandinihana ny andiany faharoa ankehitriny.

Nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2025 ny tetikasa Afafi Centre. Mitentina 12 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina, tamin’ny alalan’ny Fed andiany faha-11. Manatanteraka azy ny Birao tantsoroka ho an’ny fiaraha-miasa ivelany (Bace), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef).
Faritra voakasiky ny tetikasa ny eto Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Mahe­rin’ny 35 000 ny mpisitraka tamina kaominina 138. Tanjona ny hampitomboana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra ambanivohitra, indrindra ny vehivavy, ny fiarovana ny tontolo iainana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voakasik’izany ny seha-pamokarana enina: fambolena, fiompiana akoho gasy nohatsaraina, fambolena voankazo sy zana-kazo, famokarana ronono, fiompiana trondro an-tanimbary ary ny famokarana angovo fandrahoana. Eo koa, ny fananan-tany, ny fitantanana ary ny hetra na haba ho an’ny kaominina.
Nilanja 13 000 t ny vokatra
Anisan’ny nanohanana ireo mpamokatra 35 000, ahitana fikambanana 600, ny fanofanana ara-teknika, ny fitaovam-pamokarana, sns. Niakatra 138% ny tahan’ny vokatra (sakafo sy voankazo), milanja 13 000 taonina. Niisa 733 ny akoho gasy nohavaozina ny fiompiana azy. Nahatratra 2,9 tapitrisa litatra ny ronono novokarina, ka maherin’ny 2 000 taonina ny vokatra ronono nahodina. Nilanja 334 taonina ny trondro nohatavezina. Miisa 761 ny mpiompy trondro nofanina, namokatra zana-trondro miisa 5 tapitrisa. Maherin’ny 27 000 ny kara-tany nozaraina, ka vehivavy ny ampahatelon’ireo tompony.
Miisa 109 ny tetikasan’ny kaominina natao (sekoly, lalana ambanivohitra, tetezana, rano fisotro madio, jiro manazava tanàna, sns). Vela­rantany 5 300 ha no voavoly zana-kazo. Nahatratra 8 000 ny mpanao saribao nofanina, ka maherin’ny 60 000 taonina ny saribao novokarina.
Eo am-pandinihana ankehitriny ny fandaharanasa Afafi Centre andiany faharoa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: