Nirarakompana ny fanalana amin’ny toerany ireo tomponandraikitra ara-miaramila eo anivon’ny hopitaly Soavinandriana (CenHoSoa). Niainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, natao tany Nosy Be, afakomaly, izany.
Nivoitra tamin’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Miisa valo be izao ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ity hopitaly miaramila ity nesorina tamin’ny toerany. Ahitana manamboninahitra ambony, kolonely sy jeneraly sady mpitsabo ambony avokoa izy ireo ary amin’ny sampandraharaha samihafa.
Tsy mandeha ho azy anefa izany fanapahan-kevitra izany fa mifandray indrindra amin’ny “Raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick” ka nanitrikitrihin’io manamboninahitra io ny fomba fiasa sy ny tsy fetezana eo amin’ ny fitantanana izany toeram-pitsaboana eny Soavinandriana izany. Anisan’ny nanana andrakitra teo anivon’io hopitaly io rahateo ity kolonely nanao fanambarana ity ary tsy mbola hita ny nanjavonany hatramin’izao rehefa tafaporitsaka tamin’ny toerana nihazonana sy nanaovana andrimaso azy.
Mbola nanao fanambarana ny Kly Rakotomamonjy Tsiahivina fa mbola nanao fanambarana indray ny Kly Rakotomamonjy Patrick, omaly tamin’ny alalan’ny “video”. Mitovitovy amin’ny efa nambarany teo aloha ihany izany.
Etsy andaniny, nesorina amin’ny toerany koa ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana ao Tsiribihina any Morondava. Mandray izany andraikitra izany indray izao ny Jly Ralaimpandry Benoit. Nesorina tahaka izany koa ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana ao Fiherenana Atsimo Andrefana, Toliary. Misahana izany andraikitra izany ny Kly Dafitse Pierrot.
Tombanana fa noraisina izao fanapahan-kevitra izao taorian’ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasionina notarihiny tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, ny herinandro lasa teo.
Synèse R.