Naka traikefa teto Madagasikara ny ekipan’ny protéction civile avy any Tchad, momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza nandritra ny herinandro, teny anivon’ ny BNGRC. Nifarana omaly ny fivahinianan’izy ireo ary nizara ny vokatry ny fifampizarana teny Andrainarivo ny roa tonta. Herintaona no nananganana ny protéction civile ao Tchad, izay tohanan’ny firenena frantsay. “Tonga eto ny delegasionina hijery ny zava-misy momba ny fitantanana ny loza rehefa misy ny hamehana ary hitsidika ny toerana fitahirizana ny fitaovana sy ny tahirin-tsakafo sahanin’ny BN GRC”, hoy ny tale jeneralin’ny protéction civile ao Tchad, Zenab Mahamat Adoum. “Matetika misedra tondradrano ny tanàna maro any Tchad, toy ny miseho eto amintsika rehefa fotoanan’ny fahavaratra, indrindra amin’ny tanàn-dehibe ka nifanakalo traikefa momba izay koa ny roa tonta”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Andriakaja Olivier. Zava-dehibe ny fahaizana mandrindra ny asa mialoha sy mandritra ny hamehana vokatry ny loza voajanahary. Efa manana ny politika nasionaly sy ny paikady nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza rahateo i Madagasikara ka mirindra ny fanatanterahana ireo miaraka amin’ny mpisehatra.
Ankoatra an’i Tchad, efa tonga niofana teto amintsika koa i Seychelles, Burundi momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Vonjy