Fivadiham-pitokisana : Tratra i Veve, roa taona nifampitadiavana

Voasambotry ny zandarimaria notarihin’ny Kly Faneva, tao amin’ny kaominina Antani­meva, faritra Atsimo Andrefa­na, omaly, ny lehilahy atao hoe Veve, izay nisoloky sady nivadi-pitokisana. Roa taona nifampitadiavana io lehilahy io. Namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana tao Maintirano izy nanomboka ny taona 2023. Zaodahin’ny mpanao baolina malaza iray eto an-toerana “Voavy Paulin” io lehilahy io. Nametraka fitokisana tamin’ io zaodahiny io ilay mpilalaon’ny ekipam-pirenena teo aloha. Tsy araka ny nandrasany ny zava-nisy. Nivadi-pitokisana, nangalatra ny vola sy entana io zaodahiny io. Niala tao amin’ny kaominina Maintirano anefa i Veve. Nifindrafindra toeram-ponenana izy nanomboka tamin’ny fotoana nitadiavan’ny mpitandro filaminana azy. Na­nova anarana rahateo ny lehilahy. Nosoloiny ho Alibay ny anarany izay fantatra tamin’ny hoe Exavier Bersene. Tetsy ankilany, namoaka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ilay mpilalao baolina kitra lasibatra fa hanome lelavola 10 tapitrisa Ar ho an’ireo ma­hi­ta sy mahasambotra an’i Veve. Nandray ny andrikiny rehefa nahazo loharanom-baovao ny ekipa notarihin’ny Kly Faneva tao Atsimo Andre­fa­na. Tratra tao Antanimeva io mpisoloky sady nivadi-pitokisana io. Atolotra ny fampanaovana tsy ho ela aorian’ny fanadihadiana izy.

Tsiferana R.

Partager sur: