Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Programme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy ny fampirantiana, ny dinika sy famelabelaran-kevitra. Eo koa ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo mitady asa. Misy ihany koa ny atrikasa an-tambajotra hatramin’ny 6 jona ho avy izao. “Tanjona ny hanomana ireo tanora ho lasa matihanina eo anivon’ny sehatry ny fitadiavana asa”, hoy ny talen’ny fandaharanasa sésame, François Xavier Froberville. “Betsaka ny tolotrasa misy eto Madagasikara fa tsy ampy hamaliana izany ny fahaiza-manaon’ny tanora mitady asa”, hoy kosa i Ingy Ange Simonia, talen’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy fampananasa ary ny asam-panjakana. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana hetsika tahaka izao satria manampy ny tanora hanana vintana amin’ny fitadiavana asa. Andrasana ny hahazoana mpitsidika maherin’ny 3 000 amin’ity hetsika ity. “Tsy ny isan’ny mpitsidika anefa no zava-dehibe fa ny kalitaon’ny fihaonana eo amin’ny orinasa sy ny tanora. Mba hanovana ny fiainan’ny tanora sy hitarihana azy ireo amin’ny hoavy mamiratra”, hoy hatrany ny talen’ny fandaharanasa sésame.
Mino