INDRAY MIJERY

Hahazo vahana hatrany ny alondrano avy atsimo-andrefana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Hi­ho­dina avy atsimo atsinanana izany any amin’ny mo­rontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana kosa manomboka rahampitso.

Tombony ho an’i Madagasikara ny mampiantrano ny fihaonamben’ny mpitondra fanjakana anatin’
ny vondrona SADC, hotanterahina amin’ny volana aogositra 2025. Ao anatin’izany, hisy ny famelabelaran-
kevitra “conférence publique” hatao eny amin’ny Oni­versite Ankatso, iandraiketan’ny minisiteran’ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nidina ifotony teny an-toerana ny ekipan’ny minisitera notarihin’ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambony, Behaja Alan Basile.

Partager sur: