Tokantrano 1 300 000 no misitraka ny tetikasa Haratonaina manerana ny Nosy. Anisan’izany Rakotondrasoa Justine, mpanasa lamban’olona latsaka tao anaty fahasahiranana teo aloha kanefa tonga mpandraharaha amin’ny fiompiana sy fitaterana ankehitriny. Mitantara ny fikirizany izy niaraka tamin’ny tohana avy amin’ny fanjakana sy ny fiofanana entin’ny Fid izay mpanatanteraka eny ifotony.
Renim-pianakaviana eny Ankorondrano Andranomahery Rakotondrasoa Justine, 36 taona, niainga tamin’ny asa sasa lamban’olona saigy efa mpandraharaha amin’ny fiompiana sy taxi-moto ankehitriny.
Misitraka ny vola Vatsin’ ankohonana ao anatin’ny tetikasa Haratonaina i Justine.
Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo izy. Vola 60 000 Ar no niaingana, nozaraina tao anatin’ny tetikasa Mijoro izay tanterahina an-tanàn-dehibe.
Niakatra 70 000 Ar izany taty aoriana ary raisina isaky ny 2 volana. Nandritra ny 3 taona izao no nisitrahany ny tohana ka nahafahany nisondrotra hatrany amin’ny asa fivelomana ary efa tena mahavelon-tena tanteraka ankehitriny.
Nanasa lamban’olona no niveloman’i Justine tany amin’ny 3 taona lasa. Nihafy tanteraka ny ankohonany na tamin’ny fampianarana ny ankizy na tamin’ny sakafo ohanina, tsy mba nanana tahiry akory raha sanatria marary.
Rehefa nisitraka ny tohana ara-bola 60 000 Ar izy dia nivarotra “gouter” ho an’ny ankizy teny amin’ny sekoly manodidina azy. Nanomboka nahazo tombom-barotra afaka nangonina tsikelikely.
Niditra ho mpikambana Voamamy izy ahafahana nanao tahiry sy findramam-bolana eny ifotony. Manome 2 000 Ar ho tahiry ary 500 Ar ny sosialy fifampitondran’ny samy mpikambana.
Afaka nindram-bola tao amin’ny Voamamy i Justine taty aoriana, niampy ny tombom-barotra azony amin’ny varotra “gouter” ka afaka nanatsara ny fihariany. Niompy akoho fakana nofo niisa 40 isa izy ary niroborobo fatratra izany. Nitombo ho 70 isa izany taty aoriana rehefa nahazo tombom-barotra ary nitombo hatramin’ny 100 isa amin’izao fotoana. Nahazoana vola iray tapitrisa ny tombom-barotra ka nahafahana nividy moto. Efa mpandraharaha madinika amin’ny taxi-moto i Justine ankehitriny ary mandray tombom-barotra 10 000 Ar isan’andro ahafahany miantoka ny sakafo andavanandron’ny ankohonany. Sady miompy no manana taxi-moto izy amin’izao fotoana. Miaina toy ny ankohonana sambatra rehetra. Afaka mampiana-janaka ary efa mba misy tahiry ahafahana mitsinjo ny vodiandro ho merika.
Olana amin’i Justine ny hateren’ny toerana amin’izao fotoana ary tsy afaka mivelatra amin’ny fiompiana ataony izy fa voafetra noho izany.
Mirotsaka an-tsehatra amin’ ny fanomezana fiofanana ny Fid, hampahomby ny fahaiza-mitantana ho an’ireo mpisitraka ny famatsiana vola. Mampianatra ny kajy amin’ny vola mivoaka sy ny miditra ary tena hentitra amin’ny fanaraha-maso sy fanarahana ireo torohevitra hisian’ny fahombiazana.
Ifantohan’ny fampianarana ny fitantanam-bola, ny hampihenanana ny vola mivoaka miohatra ny vola miditra. Indroa isam-bolana ny fanaovana Sehatra Mahasoa izay hihaonan’ireo mpisitraka sy ny mpampiofana, fifampizarana sy fihainoana ireo ankohonana misitraka ny tohana.
“Mila manana toe-tsaina miabo raha te ho tafavoaka amin’ny fiainana”, hoy i Justine. Ary ny herin’ny tena ihany no hampivoaka amin’ny fahasahiranana. Mitaky finiavana, fahazotoana, fikirizana tanteraka raha te hivoatra. Tsy ilaina ny hakamoana sy ny hakiviana. Mandeha tsikelikely ny fahombiazana fa tsy voatery hisongadina be fa ny fanohizana ny ezaka no tena zava-dehibe. Efa omen’ny fanjakana ny tohana dia anjaran’ny mpisitraka no miezaka.
Tetikasan’ny fitondram-panjakana nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa Haratonaina. Miditra amin’ny andiany faharoa isika amin’izao fotoana dia ny Filet de sécurité de résilience. 1 300 000 ny tokantrano efa nisitraka tamin’ny andiany voalohany. Hipaka amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny tetikasa amin’ity andiany faharoa ity. « Tanjona ny hanalefahana ny fahasahiranan’ireo tokantrano marefo, hanome tosika hahafahany mihary sy miaina milamina, hoy ny tale jeneralin’ny fiahiana sosialy », Rivomanana Gisbert.
Hatramin’ny taona 2027 ny famatsiam-bola ho amin’ity dingana faharoa ity. Eo koa ny tosika avy amin’ny fanjakana ankoatra ny tetikasa.