Resy lahatra ny Banky iraisam-pirenena: Mahomby ny fiahiana sosialy eto Madagasikara

Tetsy andaniny, naneho ny fahafaham-pony amin’ny ampa­han’ny zava-bita ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fiahiana sosialy atao eto Madagasikara.
“Matoa tonga eto maka traikefa ny firenena hafa, toa an’i Congo sy Kaomaoro, dia misy zava-bita tsara izany eto Mada­gasikara”, hoy ny avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, Ravelosoa Rachelle Julia. Efa nizara traikefa tany Rwanda, tamina firenena marobe ihany koa isika. Misy ny tombana siantifika hatao ka voaporofon’ny vokatra izany.
Na izany aza, be loatra ny filana eto Madagasikara mahakasika ny fiahiana sosialy. Ny fitondram-panjakana no tokony mamatsy ny Haratonaina kanefa mbola ny 20% ny tena ma—hantra ihany no tena misitraka izany. Hanentanana ny fanjakana sy ny mpamatsy vola hafa hanome tanana izany hisian’ny fandrosoana sosialy haingana. Haratonaina mifanaraka amin’ny vola eo an-tanana kanefa hahazoana vokatra tena mahomby sy misongadina no tena ilaina.
Tsy ireo tokantrano misitraka ihany no mahazo tombon­tsoa amin’ny fivoarana entin’ny tetikasa fa eo koa ireo mpiara-monina sy ny manodidina azy satria izy ireo no mifamatsy sy mifamelona ary miara-mioty ny vokatra sy ny fivoarana eo an-tanàna avy eo.

Nanatontosa : Tatiana A

Partager sur: