Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Ankalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Fantatra fa eto amintsika ny maherin’ny 80% ny karazam-biby sy zavamaniry maneran-tany saingy miha ringana ny tontolo iainana. Ankehitriny, tsy misy afa-tsy 10% sisa ny ala eto Madagasikara, potika ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ataon’ny olombelona. Vokany, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny firenena.
Hihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ao anatin’ny volana maro. Midina ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana Andekaleka ka mahatonga ny delestazy lavareny. Vokany, miha sahirana sy miditra fatiantoka ireo orinasa madinika. Nisy ireo nampitsahatra tanteraka ny famokarany, ao koa ireo nilaza fa hikatona tsy ho ela noho ny zava-misy.