Hifampitaona etsy By-Pass ireo mpitia baolina kitra, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ho fantatra amin’io fotoana io ireo ekipa valo hanao ny ampahefa-dalan’ny “Yas Coupe de Madagascar”.
Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar ». Anisan’ny fifanandrinana tena goavana ary andrasan’ny maro ny lalao ihaonan’ny Mama FC sy ny As Avenir Ste Anne, klioba roa samy mifanintsana ao amin’ny fifaninanam-pirenena « World Cola PFL ».
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, izy ireo. Ankoatra izay, miverina mifanandrina amin’ny Requin Bleu indray ny FC Rouge PFL. Nilaza ny filohan’ ny klioba FC Rouge Vakinankaratra, Rakotondramiara Hasina, fa efa nanomana foana izy ireo ary tanjony ny hisondrotra amin’ny ambony kokoa.
Ampahatsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa avy atsy Vakinankaratra no nahintsan’ny klioba Elgeco Plus, tompondaka farany. Naneho ny heviny mahakasika ny fihaonana rahampitso kosa i Bandy Akama, talen’ny Serasera eo anivon’ny klioba Elgeco Plus fa tsy hataon’izy ireo ambanin-javatra ny fifanandrinana rehetra, ary hiezaka ny hitazona ny amboara tsy ho votsotra eo am-pelantanana izy ireo amin’ity taona ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny Elgeco Plus, efa impito nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, anisan’izany ny taona 2013, 2014, 2017, 2018, 2022, 2023 ary ny 2024. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 7 jolay ho avy izao ny lalao famaranana.
Fitia Randria
Ireo lalao rehetra amin’ny 1/8é :
Fc Rouge vs Requin Bleu
Uscafoot PFL vs Toulon FA
As Fanalamanga vs As Faji
Cosfa PFL vs Cosfa Espoir
Elgeco Plus vs Fc Wagner
CFFA PFL vs Uscafoot Espoir
Ajesaia PFL vs Net Foot
Mama Fc PFL vs As Avenir Ste Anne PFL