Jiolahy enin-dahy nanafika teny amin’ny fokontany Anjanamasina, kaominina Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy teo tamin’ny 12 ora. Hitrangana fahatapahan-jiro matetika anatin’io fokontany nitrangana fanafihana io. Vao tapaka tsy nisy dimy minitra ny jiro, nirefotra ny feom-basy voalohany. Nirefitra fanindroany ka niditra tao amin’ny tokantrano lasibatra ireo olon-dratsy. Nitady vola avy hatrany izy ireo. Tovolahy vao herotrerony zanaky ny tompon-trano voatifitr’ireo tsy mataho-tody nandritra ny fanafihana. Voatery naiditra hopitaly nanesorana ny taim-bala tavela tao amin’ny lamosiny io voatifitra io. Lelavola 2 tapitrisa Ar no lasan’ireo tsy valahara, araka ny angom-baovao. Namerina nanampoaka basy ireo jiolahy sady nandositra nandritra ny haizina. “Nahare feona kiririoka izahay saingy tsy mbola nisy sahy nivoaka”, hoy ny vavolombelona monina tsy lavitra ny toerana lasibatra. Nirodorodo ireo vatan-dehilahy taorian’io saingy efa tsy hita intsony ny jiolahy. Nihatrana teny an-toerana koa, ny zandarimaria. Nanararaotra fahatapahan-jiro ireo olon-dratsy. « Tapaka ny jiro manomboka amin’ny 12 alina ary tsy miverina raha tsy maraina », hoy ny loharanom-baovao. Dimy minitra taorian’ny fahatapahan-jiro tamin’ny alin’ny alakamisy io no nahatongavan’ireo mpandroba. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fisafoana sy ny ady amin’ny asan-jiolahy eny amin’ny kaominina Anosiala sy ny manodidina ireo mponina eny an-toerana.
Tsiferana R.