Niverina amin’ny heriny sy ny lazany ny “Fetin’ny maman’Ty”. Hipoka mpijery te hitokelaka, hiala voly hatramin’ny farany Antsahamanitra. Toa ny seho rehetra, nisy ny tena tsara, nisy ihany koa ny tsy nahafa-po ireo mpijery.
I Francis ihany no Turbo. Na eo aza ny taona mandroso sy ny mety hoe tsy fiakarana an-tsehatra elaela, mbola mitana ny maha mpanao hatsikana be mpankafy izy. Anisan’ireo nandrasan’ny maro ny fikarany an-tsehatra, nandritra ny “Fetin’ny Maman’ty”, notontosaina tetsy Antsahamanitra, omaly. Toraka izany koa i Honorat, izay nandrindra ny fampisehoana no nitondra ilay mampiavaka azy, misarika tokelaka teny amin’ireo mpiijery isaky ny miteny.
Fohy kokoa sady nanomboka ny seho ny anjaran’i Bahrone. Nanokatra ny fihomehezana tsy ankiato kosa anefa izany. Tsy tazana intsony an-tsehatra izy taorian’izay, ka nahagaga ireo mpijery nanantena rodoben’ny mpandray anjara.
Mety ho sehatra goavana voalohany, ary hanamarika ny lalany amin’ny maha mpanao hatsikana azy iny seho iny ho an’i Elly Nomenjanahary. Tsotra, nilamina, tsy taitaitra ary manan-tatenta amin’ny fampitana ny hatsikana izy. Mipetraka tsara ny an’i Elly ny fiampitana amin’ny lohahevitra iray mankany amin’ny manaraka, ary mora voarain’ny mpijery izany, ka nahazoany tehaka fankasitrahana. Efa azo antoka aloha fa ho maro ny mpanaraka ity mpanao hatsikana ity.
Matetika, saingy be mpitia ny tantaran’i Zisy sy Lenina nentin’i Aldini sy i Riri. Nitondra zava-baovao an-tsehatra ry zalahy, izay nezahana ho nirindra amin’ireo hatsikana efa nomanina. Ny “Vazovazy”, na ny fanovana ny tononkira no tena angadin’ny Etsetra Etsetra, ary anisan’ny itiavan’ny mpijery azy ireo izany.
Tsy tsiky sy hafaliana foana anefa no nasehon’ireo mpijery… Tsy nanao ny anjara sehony nivantana i Gothlieb. Efa voamana mialoha, ka tamin’ny alalan’ny “écran” no nijerena ny anjara hatsikany. Nifarimbonan’ireo namany nofenoina ihany izany, saingy nampiakatra ny siotsioka tao Antsahamanitra. Nahatsiaro ho voafitaka ireo mpijery sasany, araka izany.
Siotsioka sy horakoraka noho ny hatezerana ihany koa no nanapaka antenantenany ny anjara fampisehoan’i Raytra Bellawick. Nanakaiky loatra ny faran’ny zaka amin’ny hatsikana, somary mandratra ireo tsy zatra ary tsy eken’ny sain’ny maro ny fampitany azy. Mampiomehy ho an’ny sasany, mahatezitra kosa ho an’ny hafa, indrindra ireo mahatsapa ho “voatifitra” anatin’izany.
Soa fa nisy ihany koa ireo vazo manokana, ho fehezam-boninkazo ho an’ny reny, izay nampiavaka ny “Fetin’ny maman’ty” hatramin’izay nisiany.
Zo ny Aina