Fankalazana ny faha-25 taona: Hanao seho maimaimpoana ny Singers of Jesus

Hanamarika ny faha-25 taona nijoroany ny antoko mpihira, Singers of Jesus. Hankalazaina amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra izany amin’ity taona ity. “Nanaovana an-tsapaka sy nametrahana masontsivana ireo fiangonana hisitraka izany seho maimaimpoana izany ka miisa 10 ireo nahafeno ny fepetra”, hoy ny tomponandraikitry ny tarika, Rasamimanana, tetsy Ampa­samadinika, ny sabotsy teo. Nambarany fa tsy nanavahana fiangonana izany. Ireo mpikambana mandrafitra ny tarika rahateo avy amin’ny finoana samihafa. Koa hanombohana izany ny seho fitoriana filazantsara, hatao eny amin’ny FJKM Ankeniheny, Ambohi­droa. Hitohy amin’ny fitetezana ireo fiangonana hafa eto Antananarivo sy ny manodidina izany ary hofaranana ny volana desambra izao, araka ny nambarany. Ivon’ny fankalazana kosa ny volana aogositra izao. Nambarany ho tanjon’izao hetsika izao ny fitoriana ho an’ny olona rehetra sy ho amin’ny fibebahana ary koa ny fandraisana an’i Kristy.
Na izany aza anefa, tsy ma­­nakana ny fiangonana hitady vola ireo seho ataon’izy ireo na maimaimpoana aza. “Tsy asiana vidim-pidirana izany saingy azo atao kosa ny valopy raha hanorina fotodrafitrasa izy ireo”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nitsangana teo anivon’ny LMA Ampefi­loha ny Singers of Jesus. Mivoy ny gadona “‘Gospel” izy ireo. “Efa voarain’ny olona ary efa mi­voatra koa isika ka mipetraka amin’ny toerany io gadona fitoriana io. Efa ma­tihanina avokoa sy tsara ny kalitaon’izany ho an’ireo manao izany eto amintsika”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: