INDRAY MIJERY

Ny taranja lomano no nisantarana ny adina ara-panatanjahantena bakalorea, eto Analamanga, ny sabotsy teo. Mpiadina 800 no nisafidy izany taranja izany. Hanomboka ny 10 jona hatramin’ny 20 jona ny adina ara-panatanjahantena amin’ny taranja hafa ho an’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avara­drano ary Ambohidratrimo.

Nahavelom-bolo ny mpianatra any Nosy Be ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena ny ha­nanganana oniversite vaovao manara-penitra any an-toerana. Kasaina hisokatra amin’ny taom-pianarana 2025-2026 izany hahafahan’ny tanora manohy fianarana. Tsy mandeha alavitra intsony na ho variana amin-javatra hafa aorian’ny bakalorea.

Raikitra ny hetsika fanadiovana isaky ny boriborintany ataon’ny CUA. Boriborintany voalohany, faharoa ary fahatelo no efa nanaovana hetsika iombonana amin’ny mpivarotra ary nahitam-bokany. Fiko­loam-pahasalamana, fahadiovan’ny tanàna ary fanajana ny CMH no tanjona.

Efa ao anatin’ny ririna i Madagasikara. Misy ny zavona amin’ny maraina ary ilana ny fitandreman’ireo mpampiasa lalana. Hisy fiakarany ny maripana ambony ho an’ny afovoan-tany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Tombanana hidina kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro.

Partager sur: