Lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto

Vaky loha, maty tsy tra-drano ny lehilahy 50 taona niharan-doza teny Ambatobe, ny sabotsy 24 mey hariva teo. Ankizivavy 15 taona avotra soa aman-tsara.

Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny lalan’ny bibilava mampitohy an’Am­batobe sy i Nanisana, ny sabotsy 24 mey teo. Nitondra moto lehibe 4T io raim-pianakaviana io ary nitaingina tao aoriana ny zanany vavy. Nikasa hisongona fiara tsy mataho-dalana tao anaty fiolanana io mpamily io, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Nianjera ny moto ary nivoaka tamin’ny sisin’arabe ilay fiara. Nidaraboka tamin’ny tany ny mpitondra moto ka vaky ny lohany. Nandriaka teo noho eo ny ra. Tsy afa-nialana nenina intsony io tra-doza io. Maty teo noho eo ilay raim-pianakaviana 50 taona. Tetsy ankilany, nipitika teny ambony moto koa ilay ankizivavy 15 taona. Tsy natahorana ny ainy ary avotra soa aman-tsara izy, araka ny angom-baovao.

Tapaka hisatra

Simba ny lohan’ny fiara taxi iray nidona tamin’ny fiara hafa, tetsy Besarety, ny sabotsy 24 mey teo. Nidina avy amin’ny lalana teo amin’ny Chapelle Mangasoavina io fiara io saingy tapaka hisatra tampoka. Nifatratra tamin’ny fiara an’olon-tsotra. Potika tanteraka ny lohan’ny taxi sy ilay fiara nifandona taminy. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Tsiahivina, na eo aza ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana eny an-dalambe. Mitaky fitandremana avy amin’ny ny tsirairay hatrany, indrindra ireo mpampiasa moto ny fisorohana ny loza. Matetika vokatry ny fandehana mafy sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mampiasa arabe no miteraka ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: