Miitatra any Nosy be ny tetikasan’ny fanjakana tanterahin’ny SENVH. Fananganana tanàna vaovao ho trano fonenan’ny mponina izany. Tany mirefy 118 ha no hanorenana izany tanàna izany any Nosy Be, araka ny nampahafantarina ny mponina, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fidinan’ny filoham-pirenena tany an-toerana. Toeram-ponenana tsara rafitra, misy ny fotodrafitasa fototra rehetra ilaina ary toerana mendrika ny vahoaka. Hisarika ireo mpizahatany ihany koa ny toerana ary hitondra famoronana asa ho an’ny tanora.
Ny faran’ny herinandro teo koa no nampahafantarana ny trano mora miisa 80 ao Tsararivotra. Trano fonenana ho an’ ny Malagasy mitsinjo ny fahefa-mividin’ny sokajin-tokantrano rehetra no tolotra omen’ny fanjakana.
Anisan’izany ny trano mora ho an’ny olona manana asa maharitra sy mpiasam-panjakana. Eo koa ny tetikasa Otoh, ny trano vita amin’ny akora eny ifotony, ny fabitarana trano ary ny tetikasa ankohonana miarina.
Raha ny ao Nosy Be dia toerana 5 no anaovana ny fanajariana Otoh.
Efa misitraka ny karazana tetikasa toy izao ireo faritra maro ary vavolombelon’izany ny eto Antananarivo amin’ireo trano mora sy zara tany amina toerana maro somary mivoaka ny Renivohitra.
Tatiana A