Manakaiky vahoaka

 

Tao anatin’ny andro maromaro, nidina ifotony ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fotoana na tokony niresahana tamin’ny vahoaka malagasy. Nijery akaiky ny olana sy ny filan’ny mpiray tanindrazana. Manginy fotsiny ny fitokanany ny asa vita taorian’ny nahalany azy indray ho filoham-pirenena. Nahafahany nitafatafa sy nifanakalo hevitra sy tetikasa izany. Nanotrona azy teny amin’ny toerana rehetra nalehany ny mpikambana amin’ny governemanta, notarihin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta sy ny minisitra ary ny mpikambana amin’ny fahefana mpanao lalana. Tsy tao amin’ny faritra nahalany ireny olom-boafidy ireny ihany no hita taratra ny fiarahany mirona amin’ny Filoha. Nasehon’izy ireo fa solombavambahoakan’i Madagasikara ry zareo. Nampiseho fiaraha-mientana ny mpanohana ny fitondrana izay efa tratry ny kihana mahamaivay rahateo tao anatin’ny fotoana maharitraritra izao. Tsy ny asa ihany no nandrefesan’ny mpanohitra sasany fa hirika iray nidiran’izy ireo ny fisamatsamahan’ny samy mpitondra. Ilay samy maka ho azy sy ny fanaovana valala an-karona. Ilay mifanipy hoditra akondro sy mifamingana samy te hahazo tombony manokana. Amin’ny maha raiamandreny ny Filoha dia hitany izany ka iaraha-mahita ny fitondrany vahaolana. Anatin’ny fampiraisana tanteraka ny samy Malagasy izy ankehitriny. Fanamby rahateo ny tsy hisian’ny tombo sy ala amin’ny faritra tsirairay avy. Porofoiny amin’ny fitokanana ireo zava-bita sy ny fametrahana vatofototra maro izany. Avy any atsimo ka hatrany avaratra. Tsy mijanona amin’ny eto an-toerana ny politikam-pivelaran’ny Filohan’ny de Repoblika. Hatrany ivelany ny ady sisika hataony ary azo tsapain-tanana izany. Hotokanana tsy ho ela ny masoivohon’i Madagasikara ao Emirates Arabe Unis. Tsiahivina fa vao tsy ela ny tany Maroc.

r.r

Partager sur: