Raharaha CenHoSoa: Hanadihady ny depiote

Manomboka resahana eny Tsimbazaza ny olan’ny hopitaly miaramila. Nambaran’ny depiote fa eo am-piketrehana ny hanao fanadihadiana momba izany izy ireo.

Nanapa-kevitra ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa hiroso amin’ny fanadihadiana parlemantera izy ireo manoloana io raharaha io. Anisan’ny mivoy izany ny depiote, Gascar Fenosoa sy ny namany. “Hiroso tsy ho ela amin’izany izahay fa mbola eo am-piandrasana ny famenoana ny isa sy ny sonia, araka ny voala­zan’ny fitsipika anatin’ny An­tenimierampirenena”, hoy izy. Mbola mandalo dingana
amin’ny alalan’ny fanaovana taratasy ny fangatahana ny hanaovana fanadihadiana miainga amin’ny depiote miisa sivy eo anivon’ny Antenimie­rampirenena izany. Ankoatra izany, mbola ilana tetibola manokana eo anivon’ity An­drimpanjakana ity izany.
Etsy andaniny, nohitsiny fa ilaina ary tokony hanaovana fanadihadiana tokoa ireo voalazan’ilay kolonely. No­tanisainy amin’izany ny fanahiana resaka kolikoly eny amin’ny hopitaly miaramila CenHoSoa, Soavinandriana. Tokony hitondran’ny tomponandraikitra fanazavana iza­ny, mba ho fantatry ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany.

Tsy mbola re feo
Na izany aza anefa, tsy mbola naneho hevitra manoloana izao hirosoana amin’ny fanadihadiana parlemantera izao ny solombavambahoaka Irmar. Ireo depiote avy amin’ny fanoherana eny anivon’ny Antenimierampi­renena kosa anefa efa naneho ny fahavonany amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: