Elaela no tsy hita an-tsehatra. Tsy nisy nipika kosa ny nanavaon’ny Solofo Lian-Kanto na ny Solika, ireo hira teatraly fanaon’izy ireo, nandritra ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Mivoy ny fihavanana, ny firaisankina fa indrindra ny fitiavana avokoa ireo hira nosafidian’ny Solika, natao ho fehezam-boninkazo ho an’ireo reny izay nanatrika ny seho. Vitsivitsy ireo mpijery, saingy afa-po ary tsy nanenina ireo tonga nianoka ny seho.
Niverina tany amin’ny fahatanorany sy ny fahazazany ireo efa nahazoazo taona, nahatsiaro indray ireo hira nandravaka ny piesy teatraly tamin’izany fotoana. Tsy vitsy kosa ireo tanora izay mpankafy, na tsy mbola nahita ny teatra aza, afaka nianoka ireo hira novelomin’ny Solika. Sanganasan-dry Ratianarivo, Rasamy Gitara, Justion Rajoro, Naka Rabemanantsoa, sns, izay efa nitety sy niampita vanim-potoana ary mbola lovain’ireo tanora sy ankizy amin’izao fotoana. Anisan’ny nanaitra ny mpijery ny nahitana ireo tanora ao anatin’ny tarika, manampy sy ho dimbin’ireo efa zokiny, maneho izay fitohizan’ny kanto izay.
Zo ny Aina