Depiote Raby Savatsarah : “Tokony handray ny andraikiny ny mpanohitra”

“Tokony hijery izay anjara birikiny koa ny eo amin’ny fanoherana: inona no tokony hataon’ny tena ho an’ny firenena? Tsy mitabataba miteny fotsiny ny asan’ny mpanohitra. Tsia. Mila mandray andraikitra koa izy ireo”, hoy ny depiote voafidy tany Farafangana tamin’ny anaran’ny tsy miankina, Raby Savatsarah Ain’Hari­manga Gabrielle, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra amin’izao. Tsikera fahatany no ataon’ny sasany. Marina fa tsy tomombana avokoa ny fiainan’ny vahoaka malagasy. “Mahita kosa izahay fa manao ezaka ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Anjaran’ny depiote ny mampahatsiahy ny mpanatanteraka izay tokony hatao any amin’ny distrika. Ilaina ny tsikera raha hitondra any amin’ ny fanatsarana. Raha hitsikera, tokony hanolotra soso-kevitra: inona ny tsara tokony hatao? Iaraha-manana i Ma­da­gasikara, fa tsy an’olon-tokana.
“Misy andian’olona mikononkonona an’izany”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Raha misy olona roa na telo manao izany, hevitr’izy ireo samy irery, araka ny
tenin’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena tany Nosy Be, ny faran’ny herinandro teo. Matoa miditra ao anatina antoko politika iray ny tena, misy ny fitsipiky ny antoko. Misy koa ny fandaminana tsy maintsy arahina ao anatin’i zay, ary ny an-tanan-tohatra azo hatonina. Eo ny filohan’ny vondrona parlemantera Irmar mitondra izay alahelony sy ny manahirana azy. Misy ny birao politika TGV, ny sekretera nasionaly isam-paritany… “Tsy mila korontana intsony isika eto Madagasikara”, hoy ihany izy. Tokony hitodika any amin’ny fampandrosoana izay eritreretina, fa tsy ho lany andro amin’ny fanakorontanana.

R. Nd.

Partager sur: