E-Ariary: Vola malagasy niomerika amin’ny endriny vaovao

Hanamora ny fampiasam-bola niomerika, natao ho an’ny rehetra ary amin’ny sandany mora kokoa ny fanavao­zana entin’ny Banky foiben’i Madaga­sikara momba ny rafitra ara-bola. Vahaolana amin’ ny fi­lana andavanandron’ ny mponina izy io ary mampihena ny fikirakirana vola.

Nosokafan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Lapan’ ny tanànan’Antananarivo, ny e-Ariary, vola nomerika voalohany navoakan’ny fanjakana malagasy. Ity fanavaozana ity dia manamarika ny fiando­han’ny dingana andrana mi­kendry ny fanavaozana ny
fandoavam-bola, ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena ary ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-bola.
Mitondra fanavaozana amin’ny rafitra ara-bola eto Madagasikara ny Banky foi­ben’i Madagasikara (BFM) amin’ny alalan’ny e-Ariary. Vola niomerika hitondram-bahaolana amin’ny fiainana andavanandro, toy ny fandoavam-bola sy fandefasam-bola amin’ny sandany mora kokoa. Kendrena manokana ny hampihena ny fikirakirana vola taratasy na vy sy ahafahan’ny rehetra misitraka izany.
Hiparitaka manerana ny Nosy ny e-Ariary aorian’ny andrana atao mandritra ny 10 volana mizara roa. Mikasa hiara-kiasa amin’ireo banky eto an-toerana ny BFM amin’ny fizarana azy. Noho izany, afaka manatona eny amin’ny banky na « microfinance » ny mpisitraka raha toa ka mbola tsy manana kaonty na manatona eny amin’ireo Mobile money mpiara-miombon’an­toka amin’ny e-Ariary. Mai­maimpoana ny fandrotsaham-bola ary azo ampiasaina avy hatrany amin’ny fandoavana ny vidin’entana eny an-tsena, ny faktiora, ny saran-dalana amin’ny fiara fitaterana, sns ity rafitra ity.
Mihena, araka izany, ny fi­kirakirana vola, tsy misahirana mikajy ny famerim-bola ny mpanjifa, tsy milahatra na mian­dry ela intsony ary azo aloa amin’ny e-Ariary avokoa ny fandaniana rehetra. Tsotra sy mora ary azo antoka izany noho izy mangarahara tanteraka sy misoroka ny fanodikonkodinam-bola ary ny en­drika kolikoly samihafa.

Mifameno

« Mitovy lanja sy mitovy lenta amin’ireo vola taratasy sy vy ampiasaina amin’izao fotoana ny e-Ariary. Mifameno tanteraka amin’ireo vola elektronika efa misy izy, izay azo ampiasaina amin’ny fandani­ana sy filana amin’ny fiainana andavanandro » hoy ny governoran’ny BFM, Andrianarivelo Aivo, ny zoma teo, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna, nandritra ny fampahafantarana ny e-Ariary. Notsindriany manokana fa lafo kokoa ny fanontana vola raha oharina amin’ny lanjany. Ary enim-bolana monja ny faharetan’ny vola dia potika aorian’ izay ka voatery manonta vola any ivelany indray isika, izay mandany volabe. Vahaolana sy mampihena ny fikirakirana izany ny rafitra apetraky ny BFM, ahafahana ihany koa manara-maso ny fivezivezen’ ny vola eto Madagasikara.
Hampiasana teknolojia sahaza ny sarambabem-bahoaka amin’ny sarany mora kokoa ny e-Ariary. Afaka misi­traka ny volany amin’ny en­driny lelavola ny mpanjifa ka afaka maka izany amin’ny « carte bancaires » na koa ireo « mobile money » mpiara-mi­om­bon’antoka amin’ny BFM.
Ankoatr’izay, jerena ao anatin’ny andrana, mandritra ny enim-bolana, ny lafiny teknika. Noho izany, hiara-kiasa amin’ny BMOI, PAMF, Airtel Money Madagascar, MVola, AFG Bank, BOA ary BGFI Bank, ny BFM amin’ny fanatanterahana izany. Hiara-kiasa amin’ny Banky foibe ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Anisan’izany ny Tahi­rim­bolam-panjakana (DGT), ny Foibem-pitondrana ankapo­ben’ny hetra (DGI), ny Acep, ny CPP System, ny FMTA etsy Anosibe. Ao anatin’izay ihany koa ny orinasa Jirama, sy ny fiantohana ara-pahasala­mana. Izany dia ahafahana mandrefy sy mijery ary manao tombana ny fiantraikany mi­vantana ny fampiasana ny
e-Ariary amin’ny mpanjifa.
Notsindrin’ny talen’ny Fanavaozana sy fanovana niomerika eo anivon’ny BFM, Ramanalinarivo Amboara Fifaliana, fa « natokana ho amin’ny fampidirana ara-tek­nika amin’ireo mpanelanelana ara-bola ny andrana atao mandritra ny enim-bolana. Eo amin’ny fahafito volana kosa ny fampiasana ny e-Ariary. »

Fandrosoana

Ankilany, nisy ny fiantsoana fifaninanana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara hamoronana ny mari-pamantarana ny e-Ariary. Maherin’ny 300 ireo nandray anjara. Naharesy lahatra ireo mpitsara ny asa tanana nataon-dRazafindra­vonjy Timoty, anehoana ny vola niomerika ataon’ny Banky foibe eto amintsika.
Marihina fa manomana
ny fankalazana ny faha-100 taona ny vola malagasy ho an’ny taona 2026 ihany koa ny BFM. Vanim-potoana izay mety hifanandrify amin’ny fampidirana amin’ny fomba ofisialy ny e-Ariary eto Madagasikara.

Henintsoa

Partager sur: