Mitohy ny asa na efa vita aza ny fifidianana. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni fa mandray sy mihaino ary manome lanja ny hevitry ny mpiantsehatra izy ireo
“Anisan’izany, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, mandray ny hevitry ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana”, hoy ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitra voalohan’ity Sampandraharaha mpikarakara fifidianana ity, Andriamalazaray Andoniaina, omaly. Nambarany fa mandray sy mihaino ary manome lanja ireny hevitry ny mpiantsehatra ireny izy ireo. Efa nanomana atrikasa handraisan’ny mpiantsehatra ao anatin’ny Ceni anjara, atao hoe “atelier d’auto-évaluation à mi-parcours” ihany koa izy ireo, raha ny nambarany hatrany.
Karakaraina izany hahafantarana ny niainan’izy ireo ny fifidianana nolalovana sy nifanesy izay nandraisan’ ny vahoaka anjara. Tsy maintsy mitady ny paika rehetra rehefa te handamina ka antony hakana ny hevitry ny mpiantsehatra mba hanatsarana ny tontolon’ny fifidianana “Miainga amin’io atrikasa io no ahafahan’ny Ceni mahazo vokatra sy entina hiantsoana ny mpiara-misehatra amin’ny fifidianana”, hoy ihany izy. Anisan’ny fomba amam-panao tsy maintsy ataon’ny Ceni izany satria mampilamina ny fiarahamonina. “Tanjona ny hisian’ny fifidianansa vita tsara, milamina sy tsy misy romoromo”, hoy izy.
Amafisin’ny lalàna 2015-020, andiany faha-61
Adidin’ny Ceni, amin’ny alalan’ny filohany, ny mandefa tolotra mankany anivon’ny governemanta sy ny antenimiera mba hitondrana fanatsarana mahakasika ny fitsipika hifampifehezana momba ny fifidianana, araka ny lalàna 2015-020, andininy faha-61 mifehy ny Ceni.
“Tsy misy ny milaza fa tsy misy afaka hitondra fanatsarana mahakasika ny lalàna, fa mieritreritra ny hahatsara zavatra sy ny hampilamina ny firenena no atao”, hoy hatrany izy nanamafy.
Mino
.