FANTINA sy FINTINA

Nijery ifotony ny fonjan’Imerintsiatosika ny eo anivon’ny CNIDH, amin’ny maha rafi-pirenena ho fisorohana ny fampijaliana azy. Niompana tamin’ny fijerena ny endrika hisitrahan’ny voafonja ireo zo fototra sy ny fomba entina hanafainganana ny raharaham-pitsarana rehetra ny fitsidihana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

Nanatanteraka ny asa tagnamaro ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, omaly. Nanadio sy namboly voninkazo ary nandoko tamboho izy ireo tamin’izany. Nanambara ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, fa tanjona ny tsy hampitsanga-menatra ny Lapan’Anosikely sy ireo loholona ary ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana.

Nandray ireo solontenan’ny mpitsara andiany Fanamby, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotoman­dimby Benjamin Alexis, omaly, teny Faravohitra. Miisa 39 izy ireo ary hanamarika ny fanombohana ofisialy ny faha-10 taona. Nangatahana tsodrano amin’ny fanatanterahana ireo hetsika samihafa hatao koa ity fihaonana ity.

Hanamboatra tetezana sy tohodrano ary toerana fanasan-damba ny kaominina Talata Volonon­dry. Napetraka ny herinandro teo ny vatofototra. Teo koa ny asa tagnamaro nanokafana ny lalana mba ho azon’ny fiara aleha. Nivoitra tamin’izany ny fisaorana ireo mpiara-miombona antoka sy ny tompon’ny tany manodidina an’ireo fotodrafitrasa.

Partager sur: