Hanomboka ny alarobia 4 jona izao ny « Festival Zazamifety » karakarain’ny Institut français Madagascar (IFM) etsy Analakely. Hiova endrika ny eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fitantarana angano, ny tantara filalao eny an-tsehatra na teatra, fampirantiana, atrikasa… Hiavaka kosa ny « Zou!» na ny « Percussions corporelles » hoentin’ny compagnie Sons de Toile, ny alakamisy 5 jona, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, natokana ho an’ny mpianatra. Ny sabotsy 7 jona, amin’ny 10 ora maraina, ho an’ny rehetra.
Amin’ny alalan’ny tanana roa no hamoahan’ireto mpanakanto ireto ny feo tadiaviny. Ny vatany kosa no kapohiny hanome ilay feo. Tsy izy ireo ihany anefa no manao izay fihetsika izay fa hampandraisiny anjara ihany koa ny mpijery. Ny fahaizan-dry zareo mampifandray sy mandrindra ny feo avy eny aminy sy ny avy any amin’ny mpanatrika no hitondra zava-baovao. Io ilay mitondra hery sy fahasambarana ary hafaliana vaovao ho an’ireo rehetra mandray anjara.
Mametraka hatrany ny fanabeazana sy ny fifamatorana akaiky eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny « Festival Zazamifety ». Noho izany, hisy ny atrikasa natokana ho an’ny olon-dehibe, hoenti-manadihady ny anjara toeran’ ny kilalao sy ny asa famoro-nana, manoloana ny zaza sy ny ankizy.
HaRy Razafindrakoto