Fiangonana Rhefi : Hankalaza ny faha-20 taona niorenany

Hankalaza ny jobily faha-20 taona niorenany ny fiangonana Rhefi, izay fiangonana zandriny voasokajy ao anatin’ny Association culturelle. « Hotanterahina amin’ny alakamisy ho avy izao ny fanamarihana manerana an’i Madagasikara fa hisy kosa ny fotoan-dehibe hotronin’ny fiangonana mijoro eto Antananarivo sy ny manodidina, eny Androndrakely », hoy ny filohan’ny fiangonana eto Madagasikara sady mpitandrina eo amin’ny fiangonana Androndrakely, ny apostoly Randrianai­voravelona Adolphe, omaly. Samy hiaraka hanamarika ny jobily ny fiangonana rehetra ka ao Ambohi­mandroso, Antsohihy, Ambatondrazaka, Andapa, Morondava ary Fianarantsoa no toerana hanatontosana izany. Hampiavaka ny hetsika koa ny fanolorana ho apostoly ny mpino iray ao anatin’ny mpitarika mandritra ny fotoana.
500 ny isan’ny fiangonana Rhefi ary aman’aliny ny mpino amin’izao fotoana. « Ankoatra ny asa fitoriana ny tenin’ Andriamanitra, manao asa sosialy toy ny fizarana vary sy akanjo ny mpitantana. Eo koa ny fitaizana ny olona eny amin’ny fiarahamonina ho tonga olom-banona manaraka ny rafitra avy amin’ny fanjakana », hoy ny filoha lefitra ny filankevi-pitantanana sady mpitandrina eto Antananarivo, Rako­tondrabako Théophile.

Vonjy

Partager sur: