Fitantanana loza sy tandindon-doza : Mifanakalo traikefa i Madagasikara sy i Tchad

Tonga maka traikefa eto amintsika mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny firenena Tsa­dianina. Amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fiaro­vana sivily (DGPC), notarihin’ny tale jeneraliny, Zenab Mahamat Adoum, sy ny mpanolotsaina teknika, ny Lt Co­lonel Gérard RE, ary ireo mpiara-miasa aminy no nanatanterahina izany.
Mbola vao roa taona izao no nitsanganan’ny rafitra DGPC any Tchad izay mitovy fiasa amin’ny BNGRC eto amintsika. Tsy ampy traikefa mihitsy izy ireo raha oharina amin’ny BNGRC.
Tsapan’ireo delegasiona nandritra ny diany teto fa efa tena mandroso sy lasa alavitra be ny BNGRC amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Betsaka ny fifanakalozana tsara amin’ny fomba fiasan’ny BNGRC. Horaisin’izy ireo izany, hampihariny any aminy ary mbola azo heverina ny hisian’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fanamafisana ny fahaiza-manao an’ireo ekipan’ny DGPC avy any Tchad.
Naharitra herinandro ny fivahinianana ary nandritra ny dimy andro ny fifanakalozana traikefa. Nisy ny fampahafantarana ny BNGRC sy ny andraikiny ary ny asa ataony. Nifandimby nandray ireo vahiny ireo sampandraharaha misy ao amin’ny fitantanana ny loza.

Tatiana A

Partager sur: