Maro ireo fivarotan-kena eny Analakely. Misy amin’izy ireny nefa no mivarotra taolan-kena. Anisan’izany ny tsenan’Andrianirina Harilanto Dieu Donné, mpivarotra taolan-kena eo Analakely. Nisy ny fanadihadiana natao taminy teny an-toerana, omaly, mahakasika ny taolan’omby. Nambarany fa tsy nihetsika ny vidin’ny taolana, raha oharina tamin’ny taona lasa.
Nohamafisin’ity mpivarotra ity fa amin’izao vanim-potoan’ ny ririnina izao no tena mandeha ity fivarotana taolan-kena ity. “Mahalafo entana maro mihitsy izahay rehefa ririnina tahaka izao, satria mangatsiaka ny andro, ary maro ireo olona tia manao karazana lasopy amin’izy ity. Somary sarotra kosa anefa ny mivarotra izany rehefa amin’ ny andro mafana”, hoy i Harilanto Dieu Donné.
Araka ny fanazavana nomeny, eny amin’ity tsenabe eto an-dRenivohitra ity ihany ry zareo no maka entana. Maro samihafa ireo entana raisin’izy ireo, misy amin’ny taolana no mbola karakaraina ary ao ireo efa azo hamidy avy hatrany. “Rehefa mandray ny entana izahay, ao ny mbola ilaina fikarakarana tsara. Misy kosa ny efa azo haranty eo an-tsena sy hatolotra ho an’ ireo mpividy”, hoy hatrany ity lehilahy iray ity.
Samihafa vidy
Maro karazana ny taolana amidin-dry Harilanto, eny an-tsena. Raha ny fitanisany, misy ny taolana mena mifangaro, ny vozony, ny taolan-
tratran’omby. 3 000 Ar hatramin’ny 6 000 Ar eo moa ny vidin’ny taolana eny an-toerana. “Misy amin’ireo taolana tsotra amidinay, 3 000 Ar ny kilao, misy ny 4 000 Ar ary ao ihany koa ny 6 000 Ar”. Tenin’i Harilanto.
Tsara ny mampahafantatra fa mivarotra ireny nofon-kena madinika na “môty”, ireny ihany koa ry Harilanto. Nomarihiny fa efa mahatratra any amin’ny 12 000 Ar ny vidin’ny kilaon’izany eny an-toerana.
Mpanjifa
Samy manana ny ilavany azy avy ireo olona manjifa ny taolan-kena eny Analakely. Raha ny nambaran’i Harilanto, omaly, misy amin’ireo mpividy no miompy alika, ka hataony ho sakafon’ny biby ompiany izany. “Maro dia maro ihany ireo olona efa mpaka entana eto aminay, ao ireo miompy alika, izay maka taolan-kena eo amin’ny 20 kilao eo”, raha ny nanambarany.
Ankoatra ireo miompy alika, misy kosa ireo olona manjifa izany hatao fangalana tsiron’ny sakafo somary misy roniny, na hanaovana lasopy. “Ny silamangany sy ny nofon-kena madinika no tena misy maka rehefa hanao lasopy, matetika moa dia ireo mpivarotra sakafo manodidina eto Analakely
no tena mividy izany eto aminay”. Fanampim-panazavana nataon’ity tovolahy iray mpivarotra etsy Analakely ity hatrany.
Mandalo krizy
Matetika tsy dia ahitana entana ny volana novambra sy desambra, rah any filazan’i Harilanto Dieu Donné. “Tsy dia misy entana rehefa any amin’ny roa volana hamaranana ny taona any. Tsy dia misy ny omby amin’io fotoana io, ka somary sarotra ny tsena, fa izay misy eo ihany no ezahina hamidy”, hoy izy raha nanazava ny antony mahakasika izany.
Mahavelona tsara kosa anefa, hoy izy, ny asa tahaka izao, ary tsy mbola nahitany olana. Notsiahivin’ity lehilahy ity fa efa manam-bady aman-janaka ny tenany, ary io fivarotana taolan-kena io no asany.
Nanatontosa : Fitia Randria