Hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra : Nisokatra nanomboka omaly ny Tsenabe fivoarana

Nanomboka omaly, haharitra hefarana, ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. “Natao izy ity hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra satria io no sehatra hifanakalozan’ny mpan­dray ny vokatra sy ny mpamokatra ary hihaonan’ny tantsaha sy ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’Arivoni­ma­mo, sady filohan’ny fikambanana Fivoarana, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny an-toerana. Nambarany fa zava-dehibe loatra ny fihaonanan’ireo mpisehatra ireo mba hahitana lalam-barotra sy teknika vaovao amin’ny famokarana. Entina hanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra mba hisian’ny fihariana mahavelona ihany koa. Nohama­fisiny fa tokony ho marin-toerana ny lalam-barotra sy ny tsena. “Rehefa marin-toerana ny tsena dia misintona ny olona hamokatra izany”, hoy izy. Nambarany fa andry fototra ho amin’ny fampandrosoana amin’ny seha-pihariana rehetra ny tsena. Mitaky kalitaom-bokatra anefa izany, ny vokatra indray mitaky teknikam-pamokarana sy teknikam-piompiana.
Ahitana varotra, fampirantiana, fizarana, fifaninanana ary fampisehoana sy ny maro hafa eny an-toerana. Hita eny avokoa ny karazam-bokatra rehetra avy amin’ny tantsaha, sakafom-biby, asa tanana, fiompiana, fitaovam-pamokarana… Mano­didina ny 96 ny tranoheva mampiranty sy mandray anjara amin’ny hetsika. Ankoatra ny varotra fampirantiana, hanafana ny hetsika ny fampisehoana ara-kolotoraly, ataon’ireo tarika maro samihafa.

Mino

Partager sur: