Vita sonia ny 25 mey teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), notarihin-dRazanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny orinasa israelianina LR Group, nosoloin’i Ami Lustig tena.
Hapetraka ny ivontoeram-pambolena « Agropole », mirefy 5 000 ha, hambolena vary, sy 5 000 ha hafa hamokarana katsaka. Teknolojia mahaleo tena hiaka farany no hampiasaina amin’ ireo ivontoeram-pambolena indostrialy roa ireo. Tanjona ny hampiakarana ny fari-piainan’ ny tantsaha sy hametrahana an’i Madagasikara ho modely aty Afrika amin’ny fampivoarana ny rafi-pamokarana.
Hampiasana angovo avy amin’ny masoandro, hitarika ny rano hanondrahana ny fambolena. Masomboly vary safiotra, mamokatra hatrany amin’ny 50 000 t/taona sy masomboly katsaka hamokatra 20 000 t /taona no hampiasaina. Eo koa ny fampiasana zanabolana sy ny ilontsaina artifisialy (IA), amin’ny fanaraha-maso sy fikojakojana ny fotodrafitrasa. Ho hita ao anatin’ny Agropole ny trano fitahirizam-bokatra, ny fitaovam-pamokarana, laboratoara, toeram-piompiana akoho, sns. Maherin’ny 10 000 ny tantsaha avy amin’ny kaoperativa hahazo tombontsoa mivantana miara-miasa amin’ny LR Group. Hisy ny fanofanana ho azy ireo miampy ny lalam-barotra.
Fampiasam-bola 90 tapitrisa dolara
Nambaran’ny sekreteram-panjakana Sesa, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa « nosafidiana Israely amin’ity tetikasa lehibe ity, satria anisan’ ny lohalaharana maneran-tany amin’ny fampiasana ny teknolojia izy ireo. Manamarika koa izao fa misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara amin’ny fampivoarana ny rafi-pamokarana ».
90 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola amin’ ity tetiksa ity. Voakasiky ny Agropole ny eto Analamanga, Alaotra Mangoro, Bongolova ary Vakinankaratra. Tsiahivina fa efa nitsidika teto amintsika ny tomponandraikitry ny LR Group, ny volana janoary teo.
Njaka Andriantefiarinesy