Mitohy ny iraka ataon’ny Filohan’ny Repoblika any ivelany, amin’izao fotoana izao. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny delegasionina tarihiny ahafahana mametraka ny politikam-pampandrosoana mivelatra amin’ny iraisam-pirenena. Iaraha-mahalala rahateo fa anatin’ny lohalaharana ho an’ny fitondrana malagasy ny diplaomasia.
Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa sy loharanom-bola ho an’ny firenena, ankoatra ny mpamatsy mahazatra. Manana herijika be dia be rahateo i Madagasikara amin’ny fikatsahana ny lalana hafa, mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Tsy mihanona amin’ny fanampiana avy any ivelany izay efa ampifilafilain’ny sasany. Mahay manodina ny harena misy ao aminy ho vola avy hatrany.
Firenena tsy tokony ho resy izany ilay Madagasikara. Maro no azo avadika ho fanoitra. Betsaka no azo trandrahina. Anisan’ny tena miketrika ny mifanentana amin’izany ny lohan’ny firenena. Mivezivezy sy tsy mikely soroka aloha ny tompom-pahefana. Efa anatin’ny mitady hirika rehetra ahafahana mivelatra.
Na izany aza anefa, mbola lavitra koa ny ezaka. Betsaka ny asa sy adidy miandry amin’ny mpitondra, indrindra ny loharanom-bola mba hijerena ny fiainam-bahoaka mivantana. Mitaky asa azo tsapain-tanana ny valalabemandry. Mitaky voandalana hipaka amin’ny andavanandrom-piainany ny olona.
Tsy atoro izany ny Filohan’ny Repoblika, izy rahateo no nilokaloka izay. Toky nifanekena tamin’ny fampielezan-kevitra. Miandry dia miandry anaty fahantrana ny ankamaroan’ny olona. Manantena fahagagana mihitsy.
r.r