Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky

Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny fasana faharoa. Navelan’izy ireo ny karandoha. Tsy voasokatr’ireo jiolahy kosa ny tao amin’ny fasana fahatelo. Efa manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Araka ny fitantaran’ny mponina, ny mpiandry omby no nahita ny fasana vaky, ka nampandre ny tompom-pasana. Misy ny ahiahy fa mety ho nitondra fiara ireo mpangalatra, satria razana am-polony maro no lasan’izy ireo.
Efa nitrangana vaky fasana toy izao koa tany amin’ny kaominina Ampefy, distrika Soavinandriana Itasy, ny tapaky ny avrily teo. Fanindroany no namakian’ny jiolahy ity fasana ity. Nakorontany ny razana tao anatiny, fa tsy nitondra ny taolam-paty izy ireo.
Hatreto, tsy mazava mihitsy ny anton’ny famakiana fasana eto amintsika. Misy amin’ireo taolam-paty hita apetraky ny olon-tsy fantatra eny ankalamanjana eny. Tsy mbola tratra ihany koa ireo tena atidoha maniraka ny olon-dratsy, fa ny feo mandeha no heno etsy sy eroa.

Njaka A .

Partager sur: