Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandrimaria Ampitatafika, ilay lehilahy nanindroana antsy ny sakaizany teo aloha, ny zoma 23 mey tolakandro teo. “Naharay loharanom-baovao izahay zandary eto an-toerana fa mihaodihaody ety io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny tobim-paritra Ampitatafika. Nidina ifotony tamin’ny toerana voalaza ho nisitrihan’io lehilahy namoahan’ny polisy filazana fikarohana io izy ireo. Tratra tamin’izany ilay lehilahy. Nanindrona antsy in-13 vehivavy iray tany Toamasina izy. Tsy nanaiky hiverina hiaraka taminy intsony io sakaizany taloha io. Noheveriny fa tapitra ny ain’ilay voa-tsatotsatok’antsy tamin’ny fotoana nitrangan’ny habibiana. Nentin’ny akaiky azy namonjy hopitaly anefa ny naratra. Avotra soa aman-tsara ny ainy. Notantarainy tamin’ny fianakaviany avokoa ny famonoana nianjady taminy sady nitoroka ny nahavanon-doza izy.
Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana miasa ao Toamasina. Niara-niasa tamin’ny zandary eto Antananarivo izy ireo. Tsy nananosarotra ny fisamborana ilay mpamono olona. “Efa nalaina nihazo an’i Toamasina izay misy ny tomponandraikitra misahana ny famotorana, ny sabotsy teo, io olona voasambotra io”, hoy ny fanazavana voaray. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.