Tsy handray anjara indray amin’ny “Festival Tsika Jiaby” andiany faharoa any Paris, Frantsa, ny tarika Stéphanie. Fanambarana izay nataon’ny mpikarakara ny tarika omaly io. Tokony ho anisan’ireo mandray anjara ny alatsinainy 9 jona mantsy ry Stéphanie. Nilaza fa mbola hanazava ny antony amin’ity herinandro ity ny tarika.
Silo mihira Mahaleo. Tetikasa iray anisan’ny tao am-pon’i Silo sy nangatahany alalana tamin’ny Mahaleo izy ity. Ho fanehoana voalohany izany, hisy ny seho izay hataony eny amin’ny Urban Footsal, rahampitso, hamerenan’i Silo ireo hiran’ny tarika Mahaleo, amin’ny fanaovany azy.
Nisy ny tafan-kolontsaina, niarahan’ireo mpianatra teny rosianina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanabeazana rosianina mandalo eto Madagasikara. Nihodidina ny hira, dihy, hainahandro, sns, izany, ankoatra ny teny. Anatin’ny hetsika ho fampiroboroboana ny fampianarana ny teny rosianina eto ny fihaonana.
Nisy ny fivoriana ho fanomanana ny “Festival Sobahya”, fanao isan-taona, any katsepy, Mahajanga, ny alahady teo. Tsy mbola nambara ny daty, saingy efa azo antoka fa hisy ny hetsika amin’ity taona ity. Niara-nidinika tamin’ireo olobe any an-toerana ny komity mpikarakara, ho fanatsarana ny amin’ity taona ity, miohatra amin’ireo teo aloha. Ny efa fantatra koa dia hanafana ny fanokafana sy ny famarana i Maman’i Tsôlôlô.