Toliara: Nodinihina ny zon’ny mpanjono madinika

Natao ny 23 sy 24 mey teo, tany Toliara, ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny zo amin’ny ranomasina sy ny zon’ny mpanjono madinika. Nikarakara azy ny Afrifish Net sy ny Tur­ning Tides, ho fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaizan’ny mpanjono. Voakasik’izany koa ny vehivavy sy ny tanora monina amorontsiraka amin’ny zo sy ny ady ho fiarovana azy ireo.

Nampahalalaina nandritra ny atrikasa ny boky torolalana iraisam-pirenena VGGT sy ny SSF Guidelines. Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra sy ady hevitra nifantoka tamin’ny olana fidirana amin’ny toeram-panjonoana sy toeram-pamandri­hana.

Tanjona ny hahazoana antoka fa ho voakasika amin’ny politikam-panjakana sy ny lalàna eto amintsika ireo zo fototra ireo. Hoentina hiarovana ny fiveloman’ny vondrom-piarahamonina an-dranomasina. Nandray anjara nandritra ity atrikasa ity ihany koa ny avy amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga DRPEB Anosy sy ny mpan­jono madinika ao Taolagnaro.

Njaka A.

Partager sur: