Toliara: Tanora mandahatra ny hoaviny

Manana ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana ny tanora. Nisy ny fanofanana azy ireo tany Toliara mba hahay andray andraikitra sy mitantana, handaminany ny hoaviny.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Toliara ny « Youth con­nekt Madagascar » na tanora mandahatra ny hoaviny. Manohana azy ireo amin’izany ny fandaharanasa Fiha­riana, ny Pnud, ny UNFPA, ny Unicef, miaraka amin’ny minisiteran’ny Tanora (MJS). Tan­jona ny hanofanana ny tanora hifehy ny adisisika sy hanana fahaiza-mitantana sy mitarika. Hisy ny fifaninanana manangana tetikasa ao anatin’ny telo andro. Fotoana hiomanana sahady ny fandraisan’i Mada­gasikara ny andiany faha-8 momba ny Fihaonamben’ny tanora manangana ny hoaviny aty Afrika, hatao amin’ny novambra 2025. Ho fampirisihana ny vehivavy ihany koa ity fotoana ity, mba ho lasa tanora mpitarika mahay mitantana ary sahy mandray andraikitra.

Latsaky ny 30 taona ny 70%

Hiantoka ny fampiofanana ny fandaharanasa Fihariana. Voakasik’izany ny fomba fitantanana, ny lafiny ara-teknika sy ny ara-bola, mba ho tanora tena mahay mitantana sy mpitarika ary mandray andraikitra sy afaka manapa-kevitra. Nilaza ny solontena maharitry ny Pnud eto Madagasikara, Edward A. Christow, fa « aoka isika tanora hanandratra ny feon’ny Malagasy, ka ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana ». Notsipihin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Mousta­pha, fa « tsy misy distrika ho adino handray anjara amin’ny fiofanana. Manana herijika ny tanora malagasy satria latsaky ny 30 taona ny 70 % ny mponina eto Madagasikara. An­jaran’ny fanjakana ny manampy sy miaro ny tanora ho tomponandraikitra amin’ny hoaviny ».

CMS sy Njaka A.

Partager sur: