Tsaralalàna : Lehilahy 66 taona namoy ny ainy

Nitsirara tamin’ny tany, tsy niverina intsony ny ain’ny raim-pianakaviana iray 66 taona tetsy Tsaralalàna, omaly tolakandro. Nitambotsotra tampoka io lehilahy lehibe io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina. Namoy ny ainy anefa izy. Nahitana karapanondrom-pirenena teny amin’ io tra-doza io. Mponina avy any Ambatondrazaka izy, raha ny voalaza tao. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Efa niantso ny zanany ny tsara sitrapo naka ny vatana manga­tsiakan’io namoy ny ainy io. Tsiahivina, mateti-pitranga tato ho ato ny fisiana olona maty tampoka eny an-dalambe indrindra eto an-dRenivohitra. Anisan’izany, ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy teo am-pilalaovana daomy niaraka tamin’ny namany teny amin’ny Cité 67 Ha Avaratra Atsinanana, ny 11 avrily lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: