Tovolahy iray 17 taona tratra nangalatra fiara miisa roa teny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Novakiany sy nosokafany tsirairay ireo fiara, nataony “contre-attaque” ary natosiny mora. Mbola saika hangalatra bateriana fiara Mercedes-Benz iray teny an-toerana izy saingy henon’ny mpiambina. Nandositra tany amin’ny toerana nisy ireo fiara saika hangalariny izy ary tratran’ny zandary tao.
Lehilahy roa voasambotry ny polisy noho ny fitondrana rongony tanaty taksiborosy, tany Ambanja, ny alahady teo. Fiara iray avy aty Antananarivo hihazo an’Ambanja sy i Toamasina, nitondra rongony milanja 60 kg nafenina tao anaty gony roa. Saika hoentina antsokosoko any Toamasina ireo zava-mahadomelina ireo no izao tratra izao. Efa miatrika fanadihadiana izy ireo, mialoha ny hanolorana amin’ny fitsarana.