Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina i Madagasikara, araka ny lisitra navoakan’ny gazety boky Wanderlust Travel Magazine. Maherin’ny 250 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara manam-pahaizana amin’ ny fizahantany maharitra, ka anisan’ireo firenena 7 aty Afrika i Madagasikara. Ny tetikasa Kivalo Soa Honko no naroson’ny ONTM, miaraka amin’ny WWF sy ny Miarakap, mahakasika ny tanànan’i Kivalo any Morondava, tamin’ izany.
Hitarika ny Malagasy delegasionina
amin’ny “Madagascar-Dubaï Business Forum”, ny 27 sy 28 mey, any Dubai, ny filoha Rajoelina. Natokana hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra (EAU) ity fihaonambe ity, indrindra ny fampiasam-bola amin’ ny sehatra lehibe, toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Mahatratra 80 000 litatra ny fanafody famonoam-balala tonga any Toliara. Tonga ny
24 mey teo, tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, ireo fanafody « Deltamethrine » ireo. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny taom-piadiana amin’ ny valala 2024-2025 ity hetsika ity sady hanarahina ny fepetra hampahomby ny ady iombonana.