Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany

Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara.

«Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihi­tsy na daozy iray aza, taorian’ ny asa natao nandrira ny herintaona sy tapany, 400 000 eo ho eo sisa no tsy vita hatramin’izao», hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, omaly, teny Ambohidahy. Hotratrarina man­dritra ny hetsika fanaovam-baksiny mahazatra sy ny fanaovam-baksiny faobe ireo ka entanina ny ray aman-dreny hitondra ny zanany hanatona ny toeram-pitsaboana sy ny toerana voatokana amin’izany.
Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny aretina poliomelita, ankizy 19 tapitrisa no vita vaksiny ka voalaza fa tapitra ny valanaretina poliomelita eto amintsika, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka sy ny OMS, ny Unicef ary ny Initiative mondiale pour l’éradication de la poliomyélite. 130 miliara Ar ny sorabola nampiasaina tao anatin’ny roa taona nanaovana ny asa rehetra sy nividianana vaksiny nahazoana ny tanjona. Tsy tokony hiverina eto amintsika intsony ny valanaretina poliomelita avy amin’ny karazana tsimokaretina sauvage. Ankoatra ny ady amin’ny tay miparitaka etsy sy eroa, mpamindra ny tsimokaretina, tokony hitondra taratasy milaza fa vita vaksiny ny vahiny miditra eto amintsika.
Tokony hotazonina tsy hi­dina ny 95% koa ny tahan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona eto amintsika ary mitohy ny fanaraha-maso.
Ho an’ny vaksiny BCG atao amin’ny zaza vao teraka, ny fahataran’ny « commande » avy amin’ny CSB no ma­hatapaka ny famatsiana fa tao anatin’ny efatra taona, ampy hatrany ny tahirim-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka.
Momba ny tranga nisehoana fahafatesan’olona 20 tany amin’ny distrikan’Ikongo, nilaza ny minisitra fa miandry ny valin’ny fanadihadiana ofisialy natao teny ifotony. Toerana tena be tazo any nefa matetika tsy ampiasain’ny olona amin’ny tokony ho izy ny lay fiarovana.

Vonjy

Partager sur: